Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FMI: manohana ny harena an-kibon’ny tany

FMI: manohana ny harena an-kibon’ny tany

Samy mahatsapa ny fanjakana sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI)amin’ ny lanjan’ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika ho fampandrosoana ny toekarena.

Nihaona tamin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Ravokatra Fidiniavo, ny solontenan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) eto amintsika, i Marc Gérard, ny alakamisy 16 mey teo.

Nambaran’ny minisitra, Ravokatra Fidiniavo, fa tanjona iombonan’ny roa tonta ny hitondran’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara fampandrosoana toekarena sady mipaka any amin’ny isan-tokantranon’ny Malagasy.

Hatsaraina ny lafiny hetra

Nanamafy ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ity sehatra ity ny solontenan’ny FMI, amin’ny alalan’ny fanohanana teknika, ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny lafiny hetra amin’ny harena an-kibon’ny tany mba hiantraika any amin’ny lafiny toekarena ankapobeny azo tsapain-tanana.

Miara-mahatsapa ny roa tonta fa mitondra voka-tsoa ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika. Nomarihin’i Marc Gérard koa ny hijerena manokana ny hanatsarana bebe kokoa ny lafiny hetra amin’ireo sehatra ireo. Hitohy ity fihaonan’ny roa tonta ity, hijerena ity lafin-javatra ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.