Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovao tsara ho an’ny taranja karate malagasy, ho avy eto Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny federasiona any Torkia, ny talata 21 mey ho avy izao. Ny filohan’ny federasiona, i Esat Delihasan, mihitsy ny ho avy eto an-toerana amin’io fotoana io, miaraka amin’ny teknisianina maromaro sy ny mpitsara iraisam-pirenena. Raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny federasiona malagasy ny taranja karate, hifampizara traikefa sy fahalalana amin’ny mpikatroka malagasy ny tena hahatongavan’ireto vahiny ireto eto Madagasikara, izay tsorina fa tsy ampy eto amintsika hatramin’izay. Haharitra roa andro ny fifampizarana, hatao ny alarobia 22 mey sy alakamisy 23 mey, ao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Hizara roa ny fampiofanana, misy ny natokana ho an’ny ankizikely, omen’ny teknisianina tiorka, anasana ireo mpikatroka rehetra avy amin’ny klioba mivondrona eo anivon’ny FMK, indrindra ireo sangany nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara farany teo. Ny alakamisy kosa no hanatanterahana ny fifanakalozana sy ny fampiofanana ho an’ny mpitsara, ny mpanazatra, ny “maître de salle” ary ireo mpikatroka tompondaka rehetra teo amin’ny taranja karate malagasy sy iraisam-pirenena. Tsy ireo voakasika ireo ihany anefa no hasaina ho avy hanatrika ity fifanakalozana ity fa ireo mpikatroka karateka malagasy tsy ankanavaka, araka ny nohamafisin’ny avy eo anivon’ny federasiona malagasy ny taranja karate hatrany.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.