Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – FSBM: mpitantana vonjimaika Randriamarohaja Dolys

Tsipy kanetibe – FSBM: mpitantana vonjimaika Randriamarohaja Dolys

Tohin’ny sazy avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena ny taranja tsipy kanetibe ampihatoana ny filohan’ny federasiona malagasy teo aloha, voatendrin’ny FIPJP (Fédération internationale de pétanque et jeu provincial) hitantana vonjimaika ny fampandehanan-draharaha ny tsipy kanetibe malagasy Randriamarohaja Dolys. Nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ity mpitantana voatendry ity sy ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny fikambanana vaovao vao natsangana, nomena ny anarana hoe FSBM (Fédération des sports boules de Madagascar). Marihina fa efa nisy ny fifanatonana teo aminy sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, taorian’ny fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena. Noraisina ity fanapahan-kevitra ity, araka ny nambaran-dRandriamarohaja Dolys ny hahafahan’i Madagasikara miatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, hotanterahina any Lomé, Togo, ny 14 hatramin’ny 16 jona ho avy izao. Araka izany, hisy ny fifaninanana lehibe hifantenana izay mendrika hisolo tena an’i Madagasikara amin’io fiadiana ny tompondaka an’i Afrika io. Ny 23 hatramin’ny 25 mey izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny kianja Complexe Gamo Ampasampito. Mazava ho azy, hikarakara ity lalao ity ny FSBM. Ity farany izay hitantana ny federasiona mandra-pahavita ny fifidianana eny anivon’ny seksiona sy ny ligy ary ny fifidianana hitondra ny federasiona malagasy ny taranja tsipy kanetibe.

Tsy nanadino ny nisaotra ny FIPJP Randriamarohaja Dolys, tamin’ny fametrahana fitokisana aminy ary nanamafy ity farany fa hifantoka tanteraka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fomba fitantanana sy ny fifandraisana amin’ny rantsa-mangaika rehetra ho fampandrosoana ity taranja ankafizin’ny Malagasy ity ny tenany.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique