Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Notokanana ho vakoka ilay fiaramanidika DC 3 ao amin’ny Batac na Base aérienne tactique Arivonimamo, ny herinandro lasa teo. Notanterahina teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, izany, nisolo tena azy sy nitarika ny lanonana ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny Tafika malagasy, ny Jly Rakotonirina Théophile sy ny Jly Ramasitera Niriniaina, lehiben’ny fibaikoana ana habakabaka notronin’ireo manamboninahitra jeneraly amin’ny hery ana habakabaka. Ity fiaramanidina ity izay fanomezana natolotry ny Amerikanina Tavaratra ho an’ny tafika ana habakabaka ny volana aogositra 1988. Ny asany tamin’izany, nitondra ireo olo-manan-kaja sady nanampy betsaka tamin’ny fahatomombanan’ny andraikitra napetraka eo amin’ny mpitandro filaminana hampandriana fahalemana. Ny 29 jona 1996 ny sidina farany nataony raha ny 21 janoary 1989 kosa ny voalohany. Harena ny vakoka, lova sarobidy ary soa navelan’ireo raiamandreny ho an’ireo taranaka aty aoriana. Nanana ny lazany ity fiaramanidina DC 3 ity teo amin’ny tantaran’ny Tafika malagasy.

 

Les commentaires sont fermées.