Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto

Fara Gloum- Trass Tsiadana
Fotoana iray anjakan’ny vazo an-gitara indray ny anio alina. Eny amin’ny Trass Tsiadana no hitondran’i Fara Gloum voalohany ny santionany amin’ireo sanganasany vaovao, voarakitra ao anatin’ilay rakikira “Gasikara”. Hizarany koa ireo hira folk, bagasy, sns, nahafantarana an’i Fara Gloum hatramin’izay. Hanaraka azy eo amin’ny fitendrena gitara i Fanilo Poppins amin’ity anio ity.

Zandry Gasy – Piment Café
Elaela izay. Noho ny fiketrehana ny zava-baovao haroso ny mpankafy, niato kely tamin’ny « cabaret » ny Zandry Gasy. Hiverina noho ny fangatahan’ny mpankafy kosa ry zalahy, anio alina etsy amin’ny Piment Café. Hitondra fofony ny rakikira faharoa, efa an-dalam-pamitana, koa ry Mbola Talenta sy ny tariny amin’io. Mazava loatra fa hatao avokoa ireo nohavaozin’ny tarika Zandry Gasy, nampisongadina azy ireo.

Kandis Ambatobe – Dadah Rabel
Araka ny efa nambaran’ny tarika, milamindamina kely aloha ny fiakarana an-tsehatra ho an’ny Mahaleo. Tsy manakana ireo mpikambana tsirairay hizara ny kantony anefa izany. Fantatra fa manome fotoana ireo mpankafy azy i Dadah Rabel, anio alina eny amin’ny Kandis Ambatobe. Fotoana hamerenana indray ireo sanganasan’i Dadah izay be mpankafy indrindra izany.

Nangonin’i Zo ny Aina

 

Les commentaires sont fermées.