Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resa-bola…

Resa-bola…

Iandrasana ny eny Ambohidahy ny fanapahana farany momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ity taona ity. Tena tsy nandry andro aman’alina ny fitondrana nandrafitra azy iny hatramin’ny herinandro teo no ho mankaty. Araka izany anarany izany, tetehina sy fariparitana ny vola amin’ny fitsinjarana azy, arakaraka ny fandaharanasa na ny fandaniana. Resaka teknika lalina sy ilana fandinihana ny fijerena azy io ka tsy ho hary takatry ny rehetra. Na izany aza, anisan’ny mahamaika ny vahoaka izao ny hahitany tombony amin’ny fitsinjarana izany araka ny tokony ho izy, hipaka any anaty vilaniny… Mbola manahirana azy, tahaka izany, koa ny hitetehana ny vola kely eo an-tanana na mety efa hiampy aza ny karama farany ambany, amin’ny faran’ny volana izao ho an’ny sehatra tsy miankina. Ahoana ny hofan-trano, ny saran-dalana ivezivezena, ny hiatrehana ny fanadinan’ny mpianatra, ny saran’ny herinaratra, ny fitsaboana raha sanatria marary, ny adidy eo anivon’ny fianakaviana satria fotoany izao. Manampy ireo ny any anivon’ny fiangonana na koa ny adidy eny amin’ny fokontany… Hiditra amin’ny ririnina isika. Ahoana ny fitafiana sy ny irakofana? Ampahany ihany ireo ankoatra ny tampoka tsy maha lehilahy, mety hiseho amin’ny tsy ampoizina. Mainka fa tetibolan’ny firenena?  Ekena fa ilaina ny fanorenana sy fotodrafitrasa, anisan’ny ironan’io tetibola io betsaka kokoa. Samy efa nihazakazaka nanao an’io avokoa ireo mpitondra teo aloha. Nahavita sy nametraka ny dian-tanany. Na izany aza, tokony hojerena kokoa amin’ny ampahany betsaka amin’ity tetibola ity ny sosialim-bahoaka. Tokony ho voafariparitra ao izany. Hita taratra ao ve ny momba ny vidin’ny solika? Anisan’ny iankinan’ny ain’ny vahoaka sy ny firenena. Ahoana ny momba ny herinaratra? Ny vidiny na ny sarany nefa koa miaraka amin’izany ny tsy hahatapaka matetika intsony ny jiro. Ny hiatrehana ny maitsoahitra manoloana ny vidim-bary… Ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy mihitsy e!

Efa tsara aloha ilay finiavana amin’ny tsy hisehoan’ny fandanilaniam-poana intsony ny volam-panjakana. Sitrany ahay, ahavitana zavatra hafa. Tokony hapetraka kosa anefa ny maika sy ny laharam-pahamehana aloha amin’ny sosialim-bahoaka. Manaraka ho azy ny sisa rehetra. Resa-bola mantsy izy ity ka manahirana…

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.