Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – “Can 2019”: tafiditra ao anaty lisitra i Fabien Boyer

Kitra – “Can 2019”: tafiditra ao anaty lisitra i Fabien Boyer

Nivoaka, omaly, ny lisitr’izy 26 mirahalahy, hifantenana izay hiatrika ny fiadiana « Can 2019 », hotanterahina ny volana jiona izao any Egypta. 23 amin’izy ireo no ho voatazona ao anatin’ny lisitra farany.

Vaovao tsara ny fiverenan’i Fabien Boyer ao anatin’ny ekipa satria anisan’ny mpilalao kalaza, mpilalao avy amin’ny Grenoble foot izy. Ity farany izay tsy nilalao tao amin’ny Barea nandritra ny sivy volana noho ny ratra nahazo ary izao voaantson’ny mpanazatra Nicolas Dupuis izao indray. Araka ny loharanom-baovao hatrany, notendren’i Nicolas Dupuis hanampy azy amin’ny fanazarana ireo mpilalao i Raux Auguste. Efa nitondra ny ekipam-pirenena izy ary mpanazatra ny Uscafoot, hiatrika manasa-dalana amin’ny fiadiana ny “Telma coupe de Madagascar”. Antenain’ny mpankafy ny taranja baolina kitra malagasy ny hisian’ny vokatra tsara amin’izao ezaka lehibe ataon’ny mpanazatra izao.

Tsahivina fa hiatrika lalao hifandonana amin’i Luxembourg sy i Mauritanie ny Barea de Madagascar amin’io volana jona ho avy io, hahitana sahady ihany koa ny tokony mbola harenina amin’ny mpilalao tsirairay mialoha ny hiatrehana ny « Can ».

Mi.Raz

Izy 26 mirahalahy ao anatin’ny Barea:

Miandry tsatoby: i Dabo Arthur (JS Saint-Pierroise; La Réunion), i Adrien Melvin (Martigues; Frantsa), Randrianasolo Jean Dieudonné (Cnaps Sports Itasy; Madagasikara)

Vodilaharana: i Thomas Fontaine (Stade de Reims; Frantsa), Razakanantenaina Pascal (JS Saint-Pierroise; La Réunion ), Randrianarisoa Mamy Gervais (JS Saint-Pierroise; La Réunion), i Fabien Boyer (Grenoble Foot; Frantsa), Rakotondrazaka Ando (Cnaps Sports Itasy; Madagasikara), Rambeloson Toavina (Arras; Frantsa), i Tobisoa Njakanirina (Cnaps Sports Itasy; Madagasikara), i Romain Métanire (Minnesota United; Etazonia), i Jeremy Morel (Olympique Lyonnais; Frantsa) i Jérôme Mombris (Grenoble Foot; Frantsa)

Irakiraka afovoany: Andrianantenaina Anicet Abel (Ludogorets Razgard ; Bolgaria), i Marco Ilaimaharitra (Charleroi SC; Belzika), i Ibrahim Amada (MC Alger; Alzeria), Rakotoarisoa Baggio (Fosa Juniors Boeny; Madagasikara), i Dimitry Caloin (Les Herbiers; Frantsa), Raveloson Rayan (Estac Troyes; Frantsa)
Andrianarimanana Dax Andriamirado (Kaizer Chiefs; Afrika Atsimo)

Lohalaharana: Andriamahitsinoro Carolus (Al-Adalh FC; Arabia Saodita), i Voavy Paulin (Misr El Maqasa; Egypta), i Lalaina Nomenjanahary (Paris FC; Frantsa), Rakotoharimalala Njiva (Samutsakhon FC; Thaïlande), i William Gros (AS Vitré; Frantsa), Andriatsima Faneva Ima (Clermont Ferrand; Frantsa).

 

Les commentaires sont fermées.