Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anisan’ny mpilalao “jeu d’échecs” manana ny maha izy azy Rakotomaharo Fy, vahinin’ny fandaharana “Ambarao”, ao amin’ny Alliance  93 FM sy ny Taratra FM 106.2, ny alarobia lasa teo. Efa tompondaka an’i Madagasikara imbetsaka izy sady nahazo fandresena nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, notontosaina teto Madagasikara, ny 27 avrily hatramin’ny 4 mey lasa teo. Araka izany, nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, hatao ny volana septambra izao, any Rosia, ny tenany. Rakotomaharo Fy, mianatra sady milalao “echecs” ary nanamafy izy fa afaka miaraka tsara ireo zavatra roa ireo, rehefa hay tsara ny mandamina ny fandaharam-potoana. Marihina fa taona voalohany, any Paris, amin’ny taranja “mathématique-physique et informatique” i Fy ary nambarany fa mizotra tsara izany. Efa misy rindran-damina apetraka hahafahana mandanjalanja ny fianarana sy ny “tournoi” hatrehiny mandritra ny taom-pianarana. Efa misy ihany koa, hoy hatrany i Fy, ny “tuttora”, manampy amin’ny fanarahana ny taranja tsirairay. Araka izany, tsy mametraka olana amin’ny fianarana mihitsy ny fanaovana ity taranja ity.

Raha fintinina ny lalana nizoran-dRakotomaharo Fy, efa nanomboka tamin’ny faha-5 taony izy no nikitika sy nilalao “échecs” ary nolovainy tamin’ny rainy izany. Ity rainy ity izay manampy be azy, indrindra eo amin’ny resaka moraly. Fandresena ny efa norombahin’i fy nandritra izay 14 taona nilalaovany izay, efa tompondaka imbetsaka teto an-toerana izy, tompondaka an’i Afrika ihany koa ary tafiditra ao anatin’ny 20 voalohany eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Efa anisan’ny antsoina hoe “maître” ihany koa i Fy. Mbola ady goavana ny miandry azy amin’ny volana septambra, hananterahana ny fiadiana ny amboara eran-tany, saingy nampanantena ny hitondra vokatra tsara hatrany izy. Hiasa amin’ity taranja ity Rakotomaharo Fy, raha ny faniriany. Tsy hataony ambanin-javatra kosa anefa ny fianarany, raha ny nohamafisiny hatrany.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique