Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Tafakatra efatra ny isan’ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina tany Belo sur Mer, distrikan’i Morondava, ny herinandro teo. Fantatra fa miisa 67 ireo nihinana ity soka-dranomasina ity ka 54 amin’ireo no indray narary ka efatra tamin’ireo namoy ny ainy (zazakely ny telo amin’izy ireo raha lehilahy lehibe 70 taona ny iray hafa). Efa nidina any an-toerana ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana niaraka tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana ao Morondava nijery akaiky ity raharaha ity sady nitondra fanafody nitsaboana ireo marary. Nisy, araka izany, ny fanentanana ireo mponina any an-toerana amin’ny tsy tokony hihazana sy hihinana ireny soka-dranomasina ireny.

Dahalo iray maty voatifitra tany amin’ny distrikan’Amparafaravola, omaly taorian’ny fifanenjehan’ireo dahalo sy ny zandary. Nifanjevo, afakomaly alina ny fokonolona sy ny dahalo nandritra ny halatra omby nataon’ireo malaso. Omby miisa 35 lasan’izy ireo. Olona dimy voatifitra.

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique