Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toby Ratsimandrava: fikaonan-doha momba ny tetikasan’ny filoham-pirenena

Toby Ratsimandrava: fikaonan-doha momba ny tetikasan’ny filoham-pirenena

Notanterahina omaly teny amin’ny Toby Ratsimandrava ny fivoriana niarahan’ireo minisitera isan-tsokajiny. Voakasiky ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena amin’ny fametrahana ny toerana voatokana hanaovana fialan-tsasatra ho an’ireo olona mampiasa ny lalam-pirenena eto Madagasikara. Fivoriana iraisan’ny minisitera momba ny fanombohan’ny tetikasan’ny filoham-pirenena amin’ny lalam-pirenena ity natao ity. Tonga nanatrika izany fivoriana izany avokoa ireo minisitera voakasika izay nahitana ny teo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ary ny fizahantany, ny minisiteran’ny Fahasalamana, ny solontena avy eny amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny avy eo anivon’ny fitsarana fiarakodia ary ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard no nitarika ity dinikasa ity. nifantoka tamin’ny paikady hoentina manatanteraka ny tetikasan’ny filoham-pirenena no niompanan’ny dinika rehetra. Ireo faritra mena toa ny kaominina Ambalamanakana – Ambositra no hanaovana izany voalohany, araka ny fanazavan’ireo mpivory. Fantatra fa hoezahina hovitaina amin’ity taona 2019 ity ity fandaharanasan’ny filoham-pirenena ity. Ny zandarimaria kosa no hanara-maso hatrany ireo toerana fanaovana fialan-tsasatra ireo.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique