Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – « Match œuvre »: ala nenina farany ho an’ny tsy manara-dalana

Rugby – « Match œuvre »: ala nenina farany ho an’ny tsy manara-dalana

Rahampitso zoma no fotoana hiantsoan’ny eo anivon’ny Malagasy Rugby, ireo fileovana nilalao tetsy amin’ny Malacam, tamin’ny taom-pilalaovana farany teo. Mandritra io fivoriana io no voalazan’ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, hamerenana indray ireo klioba nilalao tany ivelany hiditra amin’ny rafitra ara-dalàna. Nohamafisin’ity filoha ity, fialana nenina farany io, tsy hisy intsony ny famindram-po aorian’izany. Hisy fiovana kely noho izany, ny ho fizotran’ny fandraisana ireo fileovana handray anjara amin’ny diviziona elite federaly, ka ny fifaninanana diviziona rezionaly no hanombohana azy, ny 29 mey hatramin’ny 2 jona. Hozaraina vondrona 3 izy ireo, ka hifaninana eto Analamanga ny avy any Alaotra Mangoro, 3FAI Vakinakaratra ary ny solontenan’Analamanga. Any Betsiboka kosa no hifanandrina amin’ny mpampiantrano. Ry zareo Diana sy Itasy ary any Fianarantsoa kosa no hidona i Atsimo andrefana, Amoron’i Mania ary Matsiatra ambony. Ireo ekipa iray isaky ny vondrona miampy ny ekipa faharoa mendrika iray kosa no hiakatra amin’ny dingana manaraka, hanampy ireo 12 farany niatrika ny TOP 20 tamin’ny taon-dasa sy ireo ekipa nilalao tetsy amin’i Malacam. Izay 12 voalohany tafavoaka eo kosa no hanampy ireo 8 voalohany tamin’ny TOP 20 farany ka hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’izay, hamoaka izay solontenantsika hiatrika ny AROI.

“Mondial “ vehivavy !

Mahakasika ity taranja ity hatrany, nambara omaly fa handray anjara amin’ilay fiadiana ny tompondakan’i Afrika atsy Afrika Atsimo ny Makis vehivavy, ny vola aogositra izao. Raha tsy tafavoaka izy ireo dia mbola afaka manao « repêchage », hifandonana amin’ny solontena avy any Amerika latina sy hiady laharana amin’ny Eropeana, hahazoana ny tapakila amin’ny fiatrehana ny “mondial” any Nouvelle Zelande amin’ny taona 2021. Tsiahivina, firenena efatra , i Kenya, Ounganda, Afrika Atsimo ary i Madagasikara no handray anjara amin’ity fiadiana ny tompondaka an’i Afrika ity.

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique