Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ortana: hitsidika an’Ambohitrimanjaka sy Antsahadinta

Ortana: hitsidika an’Ambohitrimanjaka sy Antsahadinta

Toerana manan-tantara hafa indray ny tsidi-bohitra karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana), ny sabotsy 18 mey ho avy izao. Andiany voalohany, manomboka eny Ambohitrimanjaka ary hiakatra ny tendrombohitr’i Ambonivohitra. Toerana kanto sy mahasondriana, ahitana ny tontolo manodidina toy ny lemak’i Betsimitatatra. Mampiavaka ny eny Ambohitrimanjaka koa ny fambolena anana sy voankazo ataon’ny tantsaha. Anisan’izany ny voasary, ny mandarina, ny anana sy legioma samihafa.

Andiany faharoa, ny fitetezana ny tampon-tendrombohitra Ivatobe, mihazo an’Antsahandinta. Mirefy 42 km ny dia hatao amin’izany, ao anatin’ny fe-potoana adiny valo sy sasany. Mila olona salama tsara mahatanty dia an-tongotra ity ampahany faharoa ity, ary tokony hanana fitaovana sy kojakoja mifanandrify amin’izany toy ny rano fisotro, ny satroka iarovana amin’ny masoandro, ny kiraro fentina dia an-tongotra, sns.

Tsiahivina fa andiany fahatelo ity karakarain’ny Ortana ity, ahalalana bebe kokoa ny toerana sy tanàna manana ny tantarany eto Analamanga, sady tsara tsidihina amin’ny lafiny fizahantany.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.