Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niseho ihany ny nafenina: olona telo tratra, rongony 700 kg nafenina tao anaty “citerne”

Niseho ihany ny nafenina: olona telo tratra, rongony 700 kg nafenina tao anaty “citerne”

Avo lenta hatrany! Rongony milanja 700 kg be izao no nafenina tao anaty kamiaobe “citerne”, tratran’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ankaramena, omaly tamin’ny 5 ora maraina. Olona telo no voarohirohy tamin’ity raharaha fanaovana trafikana rongony an-tsokosoko ity. Ny mpamilin’ilay kamiaobe “citerne”, ny mpamily mpanampy azy ary vehivavy iray. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nahazo antso an-tariby ny zandary iray ao amin’ny poste avancé Ankaramena, omaly tamin’ny 3 ora maraina fa misy kamiaobe iray mpitondra solika no mitondra rongony anatina gony maromaro avy any Ihosy hiakatra aty an-dRenivohitra. Tsy niandry ela fa teo no ho eo ihany dia raikitra ny fametrahana sakan-dalana ho fisavana ny fiara mifamezivezy amin’ny lalam-pirenena iny. Tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, tonga tokoa ilay kamiaobe “citerne” izay tsy nanampo na inona na inona akory ireo olona telo tao anatiny. Najanon’ny zandary avy hatrany ny fiara ka natao ny fisavana ny tao anatiny, voamarina ary hita tao tokoa ireo rongony tanaty gony maromaro izay milanja 700 kg. Nentina tao ao amin’ny biraon’ny zandarimaria Ankaramena ilay kamiaobe ary navoaka tsirairay avy ao anaty “citerne” ireo rongony 700 kg. Toy ireny mitondra solika ireny raha tazanina tampoka ity kamiaobe ity fa tsy izany anefa ny tao anatiny fa rongony  izay tsy nampoizin’ny rehetra mihitsy. Tsy vao izao fa efa nisy kamiaobe “citerne” hafa koa nahatrarana rongony tanaty gony maromaro, tamin’ny taon-dasa tany Ihosy. Itony kamiaobe itony mantsy mihevitra fa tsy azo savaina ka izany no mety mahatonga ny mpamily sasany alaim-panahy mitondra sy/na manao trafika itony zavamahadomelina itony.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.