Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Mpanoratry ny taona 2018 »: natolotra an-dRavorombato ny amboara

« Mpanoratry ny taona 2018 »: natolotra an-dRavorombato ny amboara

Tontosa soa aman-tsara ny lanonana ! Natolotra an-dRavorombato Ony Lantoarimamy, tao amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena malagasy Unesco etsy Behoririka, omaly, ilay amboara lehibe maha « Mpanoratry ny taona 2018 » azy, araka ny fifaninanana nampanaovin’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT). Taona 1996, nanomboka nanoratra Ravorombato. Ny tononkalo no nikorisan’ny peniny tamin’izany. Taona 2004, nanoratra tantara fandefa amin’ny Radio. Taona 2008, nanoratra tantara filalao an-tsehatra. Taona 2016, nanoratra sombin-tantara. « Ny fanoratana tantara fandefa amin’ny onjampeo (Radio) no tena nahafa-po ahy indrindra », hoy Ravorombato. Anisan’ny mpanoratra manana sanganasana mahasarika azy kosa i E.D Andriamalala, i Rado, i Dox, i I.P Andriamangatiana, i Tsiavahana. Nambarany ihany koa fa misy ny « vanim-potoana maty » izay tsy ahavitany manoratra mihitsy. « Eo amin’ny herinandro eo ho eo no hanoratako ny tantara fihaino, saingy mety ho tonga iray volana izany, na mety tsy ho vita mihitsy aza », hoy izy. Ankoatra ny amboara, nasalotra azy ihany koa ny lamba landy « Mpanoratry ny taona 2018 ».

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana omaly ihany koa ny fifanakalozan-kevitra ho fanatsarana hatrany ny ezaka tahaka izao. Nisy ny soso-kevitra voarain’ny tompon’andraikitra ka nilazan’izy ireo fa « … Mila fiaraha-mientan’ny rehetra ny ezaka tahaka izao ho fampivelarana ny tontolon’ny soratra…. Hitohy hatrany ny fifaninanana « Mpanoratry ny Taona » ».

Nifarimbona sy niara-niasa ary nanampy ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko tamin’ny fanatanterahina izao hetsika izao ny Com/Nat Unesco, ny Zoromanga, ny tsara sitrapo avy any ivelan’ny Nosy, ny Volot’Art  nanafana tamin’ny feom-baliha, i Poète Rebelle nanao ny slam ary ny Valiha Academie, izay nanome ny loka fianarana valiha maimaimpoana ho an-dRavorombato.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.