Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Matsiatra Ambony: miverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana

Nandritra ny fanetsehana ireo miaramila mampandry tany ao amin’ny vondron-tafika “Zone rurale prioritaire de sécurité” (ZRPS) Bravo tao amin’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Menabe tao anatin’izay roa volana izay, manomboka miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fandriampahalemana any an-toerana, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ireo mponina. Teo aloha, tamin’ny mbola tsy nahatongavan’ireo vondron-tafika ZRPS amin’ny 4 ora hariva , mitsoaka miala ny tanàna ny mponina noho ny tahotra ireo malaso izay tsy mitsitsy mihitsy. Lasa any an-tsaha ny mponina ny matory, avela ao an-tanàna ny fananana rehetra fa ny aina no avotana noho ny tahotra ny dahalo. amin’izao kosa efa miverina ny filaminana satria efa betsaka ireo dahalo lavo sy voasambotr’ireo miaramila mpampandry tany. Na ny trangana fakana an-keriny aza nihena satria tranga miisa telo no voarain’ny mpitandro filaminana tao anatin’izay roa volana izay raha trangana fakana an-keriny miisa roa na telo no niseho isan-kerinandro no heno teo aloha. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard, aleo ny vahoaka no hiteny satria efa mihena hatrany amin’ny 70 isan-jato ny tsy fandriampahalemana any amin’ireo faritra misy ireo miaramila mpampandry tany ireo. Na eo aza anefa izany, tsy mandefitra amin’ireo miaramila mety mitsivalam-pandry ka mety handratsy endrika ny fianakaviamben’ny MDN ny minisitera satria tsy natao fialokalofan’ny mpanao ratsy ny eo anivon’ny MDN, raha fanazavan’ity manamboninahitra ity hatrany.

Jean Claude    

 

 

Les commentaires sont fermées.