Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà Ikala Fy: « Zatra manara-dalàna izahay »

Kandidà Ikala Fy: « Zatra manara-dalàna izahay »

Nitondra fanazavana manoloana ny fizotry ny fampielezan-kevitra ny kandidà, Fy Andrianarison. “Efa zatra manara-dalàna izahay ary skoto ka notezaina sy nobeazina amin’ny fanajana fitsipika sy ny lalàna. Nanentana hatrany ny ekipa amin’ny alalan’ny boky kely maneho  fanazavana ny asan’ny depiote”, hoy izy, omaly. Nambarany fa anisan’izany ny fihainoana sy fitondrana  ny hetahetan’ny vahoaka ary miverina manao  tatitra eny ifotony avy eo. Eo koa ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka ary ny fanaovana lalàna. Notsiahiviny fa efa notsidihiny avokoa  ireo kaominina 24 mandrafitra ny distrikan’Ambohidratrimo 105, ary nihaonany mivantana amin’ireo sokajin’olona samihafa.  Hitondra volavolan-dalàna miisa fito eny Tsimbazaza ity kandidà laharana fahadimy ity. Ny famerana ny hetra amin’ny mpiompy, fametrahana lalàna ho amin’ny  fandriampahalemana eny ifotony. Ny  fanatsarana sosialin’ny mpiasa sy ny tsy anasa. Eo ny rafitra sosialy ho an’ny mpamokatra sy  ny tokony hananana kara-tany. “Kristianina ny tena ka anisan’ny lalàna hoentina koa ny fandavana ny fanalan-jaza sy ny fivadian’ny mitovy fitaovam-pananahana. Haverina ny hasin’ny fanabeazana eny amin’ny sekolim-panjakana”, hoy  izy.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique