Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hazakazaka Bisikileta: azo anaovana fifaninanana ny lalam-pirenena RN 44

Hazakazaka Bisikileta: azo anaovana fifaninanana ny lalam-pirenena RN 44

Hafaliana tsy omby tratra ny nandraisan’ny tany  amin’ny Faritr’Alaotra-Mangoro, ireo orinasa roa,  manatanteraka ny fanadihadiana ireo mponina manana fanànana( trano, tany, fotodrafitrasa) manamorona ny  Lalampirenena faha-44 sy  faha-3.A, amin’ny fanajariana ho  rakotra  tàra ireo làlana ireo. Nambaran’ireo mpanadihady fa isan’ny nohadihadin’izy ireo koa ny any amin’ny  RN.3.A avy ao Vodiala, mandalo an’Amparafaravola, miafara any Andilamena.  «Mahavelombolo ny ezaka tokony ho natao, nefa noho ny lalana ratsy dia tsy mety satria manimba fitaovana fotsiny, ka  najanona”, hoy Razafimbola Jean Paul Léonard avy amin’ny Ligin’ny Hazakazaka am-bisikiletan’Alaotra-Mangoro, naneho ny hafaliany tamin’izao fahavitan’ny tetikasa goavana izao. Tsy fifaninanana manodidina ny farihin’Alaotra fotsiny no kasain’ingahy Leonard, hiantsoana ireo hatrany am-pitan-dranomasina, fa fitetezana ireo Disitrika dimy ao Alaotra-Mangoro dia Anosibe an’Ala, Moramanga, Amparafaravola, Andilamena ary Ambatondrazaka. «600km eo ho eo izay halavirana izay. Hatao dingana dimy, izay mirefy 120 km avy. Misokatra amin’ny rehetra ny fifaninanana ary antsoina hiara-hifarimbona avokoa”, hoy ny Mininisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena sy ireo Zanaka am-pielezana, ary ireo orinasa Ambatovy sy ny Kraoma ary ny Fanalamanga.

 

Rarivo            

Les commentaires sont fermées.