Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Halatra lavanila: mitombo ireo MD ao Fenoarivo Atsinanana

Halatra lavanila: mitombo ireo MD ao Fenoarivo Atsinanana

Tafakatra sivy ny  isan’ireo naiditra am-ponja (MD) ao amin’ny fonjan’i Fenoarivo Atsinanana momba ny raharaha halatra lavanila maitso eny an-tsahan’ny tantsaha ao anatin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Taorian’ireo dimy lahy naiditra am-ponja vonjimaika, ny 8 mey 2019 lasa teo dia niampy efatra izany ka miisa sivy hatreto ny isan’ireo MD. Raha ny loharanom-baovao voaangona avy any an-toerana, mipoitra avokoa ireo raharahana halatra lavanila nanaovan’ny Jly Serge Gellé ezaka kanefa tsy nampidirina am-ponja noho ny haavolentan’ny kolikoly ao amin’ireo mpandraharaha mpividy halatra lavanila ao Fenoarivo Atsinanana sy ny fitsarana ao Toamasina. Vokatr’izao ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mba tsy hisian’ny tsimatimanota intsony sy ny fanaovana kolikoly eo amin’ny sampandraharam-panjakana maro samihafa dia sahy ireo tantsaha ao Ambodihazinina, Ambatoharanana, Ambodihazomamy, Mahambo, Ambinan’Iazafo fa hametraka fitoriana momba ny mpandraharaha iray. Fantatra fa ity mpandraharaha ity no tena atidohan’ny halatra lavanila ao an-toerana sy miray tsikombakomba amin’ireo mpangalatra.

Sajo

Les commentaires sont fermées.