Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Farihy manan-kasina ao Andranotsara: tsy mbola hita ny fatin’ilay tovovavy

Tsy mbola hita ary hifampitadiavana ny fatin’ilay tovovavy mpianatra natelin’ilay fahiry manan-kasina ao Andranotsara Vohémar. Efa ho dimy andro aty aoriana tsy fantatra ary tsy hita faty ity tovovavy vao 19 taona monja mpianatry  ny Lycée mixte Vohémar, kilasy faha-11 ity. Natelin’ny rano tao amin’ity farihy manan-kasina ity rehefa tonga nanjono teo, ny asabotsy 11 mey 2019 tolakandro teo. fantatra fa isan’ny toerana manan-kasina sady be fadifady ity farihy ity kanefa tonga teo ny olona telo mianaka tamin’io fotoana io hoe hanjono, kanjo tsy hita tampoka ny nanjavonan’ilay tovovavy mpianatry ny Lycée. Nambaran’ireo olona mahafantatra ny tantaran’ity farihy ity, toerana masina ao Andranotsara izy. Manana ny fadifadiny ihany koa ary tsy azo anaovana maloto, indrindra handroana sy hanasana lamba. Tsy azo tapatapahina na alaina na koa kitikitihina ny hazo ao amin’ity farihy ity. Efa nanaja izany hatry ny ela ny mponina any an-toerana noho ity fadifadiny ity. Voalaza fa ahitan-doza ny fandikana izany fady izany. Araka ny resaka nataon’ireo olona sasany dia tsy nahatandrina ny fady ireto olona ireto ka ahina ho misy ifandraisany amin’izany izao fanjavonana izao.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.