Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampifandraisana ny lalana RN2 sy RN3: ho vita amin’ny taona 2021 ny asa

Fampifandraisana ny lalana RN2 sy RN3: ho vita amin’ny taona 2021 ny asa

Herintaona katroka izao, volana mey 2018, ny nanombohana ny asa fanaovana lalana Rocade avy eo Andranobevava mivoaka any amin’ny RN2. Tetikasa goavana hanitarana ny lalana eto Antananarivo, miaina ao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny voka-dratsy aterak’izany.

Nizaha ny fizotry ny asa, omaly, ireo ny mpamatsy vola : BEI (1), AFD (2), UE (3)  niaraka tamin’ny solontenan’ny fanjakana miara-misalahy amin’ny asa, Arm (4) sy ny Agetipa (5). 8,2 km ny halavan’ny lalana, heverina ho vita amin’ny taona 2021. 20 % izao ny fandroson’ny asa, ka amin’ny ampahany sarotra fanombohana ny asa izao, ny tsy maintsy fanotorana ranontany matevina. « Rehefa tratra ny haavon’ny fanotorana, handeha haingana amin’izay ny asa, hisy zotra roa avy ny andaniny sy ankilany, sy tetezana roa lehibe”, hoy Ramanamisata Jean Pascal, talen’ny Arm.

Tombontsoa efatra lehibe notsindrian’ny solontenan’ny BEI, i Laurence Doumenc, rehefa vita ny lalana. « Voalohany, Tsy verivery fotsiny ny fotoana, hahazoana 60 tapitrisa ora isan-taona. Izay ora izay hahafahana manao zavatra hafa misy fiantraikany lehibe eo amin’ny toekarena ; faharoa, mihena ny saran’ny fampiasana fiara, hahitana tombony 1,5 tapitrisa euros isan-taona ; fahatelo, tsara fiarovana ny mpampiasa lalana ; ary fahefatra, mampihena fahalotoan’ny tontolo iainana rehefa haingana sy mihena ny fifamoivoizana”, hoy i Laurence Doumenc.

Fahavoazana mibaribary eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao ny vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana, mandany fotoana, mampihena ny ora fiasana, ary mihena araka izany koa ny vola miditra, ankoatra ny aretina ateraky ny rivotra maloto. Matiantoka ny toekarena.

60 tapitrisa euros ny fotodrafitrasa

60 tapitrisa euros ny tetibidin’ity fanamboarana fotodrafitrasa ity, ka ny 28 tapitrisa avy amin’ny Bei, 21 tapitrisa euros avy amin’ny AFD, 5 tapitrisa euros avy amin’ny UE, ary 6 tapitrisa euros ny anjaran’ny fanjakana malagasy, onitra ho an’ireo mponina tsy maintsy noravana trano, mpamboly, mpivarotra teny amin’ny manodidina nomena onitra ihany koa. Efa misy nahazo ny anjarany fa ny hafa mbola eo am-pikarakarana taratasy fanamarinana samihafa. Tsy mora io fanomezana onitra io. 600 ny isan’ny mpiasa ;  Sogea Satom miantoka ny asa, ary nanomboka avrily 2019 ny asa alina.

 

R.Mathieu

 

BEI (1) : Banque européenne d’investissement 

AFD (2) : Agence française de développement

UE (3) : Union européenne

ARM (4) : Autorité routière de Madagascar

Agetipa (5) : Agence d’exécution des travaux d’intérêts  publics et d’aménagement

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique