Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andro maneran-tany ho an’ny ankohonana: ho lavitry ny herisetra ny ao an-tokantrano 

Andro maneran-tany ho an’ny ankohonana, omaly. Nisafidy ny lohahevitra Fianakaviana lavitry ny herisetra ny Fianakaviana Sambatra sampana Antananarivo hanamarihana ny Andro. Tsapa fa miaina ao anatin’ny herisetra ny tokantrano maro, amin’izao fotoana izao ary betsaka ny mieritreritra fa ny vono sy ny fandratrana ihany no tena herisetra. Mampahafantatra ny karazana herisetra misy sy ny fomba fisehoany amin’ny fianakaviana sy ny tanora ny mpanentana ao amin’ny FISA. Amin’ny alalan’ny fikambanan’ny ray aman-dreny eny anivon’ny fokontany no itondrana ny fanentanana samihafa. Manoro ny ivontoerana azo atonona sy ny dingana arahina izy ireo raha misy olona mila fanampiana. Tanjona ny handrisika ny olona hanana fahasahiana hanambara amin’ny tomponandraikitry ny herisetra mianjady aminy. « Zava-dehibe ny fampahafantarana ny karazana herisetra amin’ny ray aman-dreny satria indraindray koa manao herisetra amin’ny zanany ao an-tokantrano izy ireo nefa tsy mahatsapa izany », araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera sy ny Tanora ao amin’ny FISA Antananarivo, Razanoelina Nalimalala, omaly teny Analakely.

Nanasa            ray aman-dreny sy tanora maromaro ny FISA hifampizara momba io lohahevitra io, omaly teny amin’ny  masoivohon’ny FISA eny Andoharanofotsy. Roa amin’izao  fotoana izao ny fikambanan’ny ray aman-dreny miara-miasa amin’ny mpanentan’ny FISA. Ao anatin’ny hetsiky ny Mouvements d’Actions des Jeunes (MAJ) koa ny fampianarana ny tanora ny ady amin’ny herisetra. Amin’ny ankapobeny, olona 10 eo ho eo mandritra ny taona no manatona eny amin’ny FISA Ambatomitsangana maka torohevitra momba ny trangana herisetra.

Vonjy                                

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique