Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohidratrimo: raikitra  ny kilalao maloto amin’ny propagandy

Ambohidratrimo: raikitra  ny kilalao maloto amin’ny propagandy

Efa tsy lalao politika  intsony. Velon-taraina ary mahatsiaro tena iharan’ny antsojay ny kandidàn’ny IRD, Rakotoarisoa Jhonny, nirotsaka ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo.  “Mandeha ny fandrahonana ho faty ny tenanay. Miteraka horohoro sy tahotra amin’ny vady aman-janaka sy ny fianakaviana izany nefa politika no atao. Angalarina amin’ny alina ny sora-baventy sy ny afisy na peta-drindrina ka apetaka eny amin’ny toerana voarara, toy ny biraom-panjakana  na koa amin’ny rindrina  tsy tokony  hanaovana izany… Tena efa tafahoatra sy sangy mihoatra ny loha nefa politika ny  atao” hoy izy, omaly.

Manaitra ny Ceni sy ny HCC

Tsy vitan’izany fa mandeha hatramin’ny kabary  na lahateny fihantsiana na fanaratsiana any  ambadika any. Nohitsiny fa fiketrehana tsotra izao hampihintsana azy amin’ny fifidianana izao fihetsika  mamoafady ataon’ny sasany  izao. Na izany aza,  efa nametraka fitoriana olon-tsy fantatra eny amin’ny mpitandro filaminana ny tenany.

Etsy andaniny,  manaitra ny eo anivon’ny Ceni  sy ny HCC koa ity kandidàn’ny IRD ity mba handray fepetra henjana manoloana izany.

Manao adin’ny kanosa… 

Nanteriny  koa fa  tokony hanao fifaninanana madio hosedrain’ny safidim-bahoaka fa  tsy manao adin’ny kanosa sy miketrika ny fomba  haminganana ny hafa tahaka izao. “Ento ny fandaharanasa hotsarain’ny mpifidy amin’ny hampandrosoana  ny distrikan’Ambohidratrimo sy i Madagasikara fa tsy fihetsika  tahaka izany na fanapotehana ny hafa no hambaboana ny vahoaka mpifidy”, hoy ihany izy.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique