Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohidratrimo: lasa ny vola tanaty sakaosy, lehilahy iray voatifitra

Ambohidratrimo: lasa ny vola tanaty sakaosy, lehilahy iray voatifitra

Maty rotiky ny balan’ireo jiolahy ny lehilahy iray nitondra vola « versement » an’ny tobin-tsolika iray teny Ambohidratrimo, omaly. Efa narahin’ireo olon-dratsy izy ka teny ambony moto izy no notifin’ireo jiolahy nandeha moto…

Nirefotra ny poa-basy teny Anosiala Ambohidratrimo, omaly tamin’ny 11 ora antoandro. Lehilahy iray hanatitra vola « versement » nandeha moto no narahina jiolahy roa nandeha moto ihany koa. Tsy nanampo na inona na inona ilay lehilahy nitondra vola tamin’ny sakaosy fa notifirin’ireo jiolahy avy aoriana ka nidaraboka nianjera tamin’ny tany. Voatifitra teo amin’ny tongony sy ny lohany ilay niharam-boina ka maty tsy tra-drano. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny sakaosy nisy vola teny am-babeny. Tombanana amina tapitrisany maro ny vola tany aminy. Tsy hita kosa ny nanjavonan’ireo jiolahy satria lasa nihazo an’i Mahitsy taorian’ity fanafihana ity. Samy tsy nisy nanampo na inona ny mponina teny amin’ny manodidina fa ny fipoahana fotsiny no nanaitra azy ireo. toa nifanenjika hatrany ry zalahy sy ilay lehilahy nitondra vola fa teny an-toerana rehefa nahazo lalana malala-dalaka sy somary mangingina vao tifitra ireo olon-dratsy. Tonga haingana teny an-toerana ny zandary nanao fanadihadiana momba ity fanafihan-jiolahy. Efa misokatra, araka izany, ny fanadihadiana rehetra momba ity raharaha ity ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra. Tsy mbola nisy tratra kosa ireo jiolahy. Naterina eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly  ny fatin’ilay niharam-boina.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique