Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Valanaretina: 909 ireo matin’ny kitrotro

Araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamana momba ny zava-misy momba ny kitrotro, nanomboka ny 3 septambra hatramin’ny 4 mey lasa teo, valo ny distrika mbola ahitana ny tranganaretina kitrotro. Antanambao Manampotsy, Mahanoro, Mahajanga II, Ambanja, Antsiranana I-II, Soavinandriana, ary Ambatomainty ireo distrika ahitana seho 14 isan’andro amin’ny ankapobeny. Tokony hohamafisina ny hetsika amin’ireo distrika ireo hanafoanana ny valanaretina. Tao anatin’ny efatra herinandro farany, nahatratra 3195 ny tranga ho an’ny distrika valo voalaza. Ny herinandro voalohany, 1652 ny olona voan’ny kitrotro ary nihena ho 97 ny herinandro fahefatra, araka ny fanazavana.

Hatramin’ny fiandohan’ny fiparitahan’ny valanaretina kitrotro teto amintsika, 142 995 ny tranga ka 19 080 ny sokajy ahitana fahasarotana. 909 ny fahafatesana voamarina fa vokatry ny aretina kitrotro raha 340 ny fahafatesana hafa tsy voamarina ny antony. Amin’izao fotoana izao, misy fanadihadiana hamantarana ny antony nampirongatra ny valanaretina any Melaky sy ny distrikan’i Sambava.

 

Vonjy A.     

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique