Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tontolon’ny fitsarana: hahazo  fitaovana hiadiana amin’ny kolikoly ny faritra

Tontolon’ny fitsarana: hahazo  fitaovana hiadiana amin’ny kolikoly ny faritra

Santatra fotsiny ihany ny eto Antananarivo ary natao filamatra. “Tena maika amin’ny sehatra asa eto anivon’ny  minisiteran’ny fitsarana  ny  fanaparitahana ny fitaovana informatika hanaraha-maso ny  kolikoly any amin’ny fitsarana  any anivon’ny faritra.  Efa nametrahana  izany kosa ny eto an-dRenivohitra”, hoy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny Fitsarana, i Savatsarah Raby, omaly  tetsy Antaninarenina. Notanterahina nandritra izany ny fihaonan’ny minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ny momba ny vola miara-miasa aminy. Nivoitra tamin’izany fa misy ireo tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja amin’ireo vahiny ireo ka nandrindrana ny fomba fiasa manoloana ny ady amin’ny  kolikoly ny fihaonana.

Fanafainganana ny  raharaham-pitsarana

Eo koa  ny fampanajana ny zo maha olona, ny fanorenana fotodrafitrasa, ny fampiasana ny teknolojia hanafainganana ny  raharaham-pitsarana. Niara-niaiky ny rehetra fa ilaina  ny  fiaraha-mientana eo amin’ny mpisehatra rehetra, ahitana ny fanjakana, na ny mpiara-miombon’antoka.  “Ahafahana mifantoka amin’ireo asa fanamby goavana miandry izany. Anisan’ny manohana eo amin’ny vola izy ireo.  Eo  koa ny lafiny fanofanana.  Ny fanatsarana ny tontolon’ny fitantanana ny fonja.  Ny fanamafisana  ny  fahaiza-manao eo amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny lafiny lalàna” hoy ny tale kabinetra. Notsiahiviny fa anisan’ny efa nahazo  tohana tamin’izany amin’ny alalan’ny Pnud ny Fitsarana  miady amin’ny  kolikoly (Pac) ahafahafan’izy ireo manao  ny asany :  Fitaovana informatika miaraka amin’ny fiara.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique