Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Telma-Mesupres: fampiromboroboana ny fanabeazana niomerika

Telma-Mesupres: fampiromboroboana ny fanabeazana niomerika

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Telma sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres). Voafaritra ao anatin’izany ny hampitomboana ny fanapariahana ny fitaovam-pifandraisana iRenala, ka hametrahana ny fahazoana Wi-fi manerana ny oniversite sy ny ivontoerana fampianarana ambony eto Madagasikara.  Nanao sonia ny fifanarahana ny tale jeneralin’ny Telma, Patrick Pisal Hamida, sy ny minisitra, Rejo Fienena Felicitée.

Efa nanomboka ny taona 2011 ny fifanarahana voalohany nanombohana ny oniversite niomerika eto Madagasikara. Ampiasaina amin’izany ny tambajotra Backbone fibre otpique an’ny Telma. Afaka nifandray mivantana ny oniversite enina sy ny sekoly ambony teto amintsika. Nomena ny anarana hoe iRenala ity tambajotram-pifandraisana ity, ny taona 2012. Ampiasana ny taribim-pifandraisana Eassy kosa ny fifandraisana iraisam-pirenena. Nahafahana nampihena ny saram-pifandraisana ny fampiasana ny iRenala.

Lafin-javatra maro

Anisan’ny azo ampiasana ny iRenala amin’ny fampianarana niomerika ny rafitra LMD, ny fikarohana antontam-baovao ary ny fifandraisana mivantana ampitain-davitra.

Afaka ampiasaina amin’ny lafiny fitsaboana sy ny fitandroana ny fandriampahalemana koa ny tambajotra niomerika. Ao anatin’izany ny fampiasana ny drône, ny fametrahana « puce » ny omby, ny fametrahana fakana horonan-tsary an-tanàndehibe, sns.

Ao anatin’ny velirano fahadimy voasoratra ao anatin’ny IEM ity fampiroboroboana ny niomerika ity, hisian’ny fampandrosoana ho an’ny rehetra sy haingana.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique