Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tanora Malagasy: misy 14 taona efa mampiasa DIU 

Amin’ny vehivavy mampiasa fanafody fanabeazana aizana maharitra 12 taona (DIU), misy tovovavy 14 taona ny mpanaraka mitohy raisin’ny Fianakaviana Sambatra sampana Antananarivo an-tanana. Mahatratra 3 970 ireo mpampiasa ity sokajim-panafody atao ao amin’ny tranon-jaza miaro ny vohoka mandritra ny 12 taona ity. Matetika ny tovovavy efa manana anaka iray na roa ka maniry ny tsy hiteraka ao anatin’ny fotoana maharitra no misafidy ny DIU. Miaraka amin’ny reniny izy, manatona ny FISA ary toromarika avy amin’ity farany no mahatonga azy ireo handrindra fiterahana. Nivoaka ny volana desambra 2017 ny lalàna momba ny fanomezan-danja ny fampiasan’ny zatovo ny fanafody fandrindram-piterahana. 7 500 ny mpanaraka mitohy ny fanafody fandrindram-piterahana ao amin’ny FISA Antananarivo.  Vehivavy 50 isam-bolana kosa ireo sambany hampiasa fanafody hanelanelana ny fiterahana na isorohana ny vohoka tsy niriana. 600 ireo mametraka ny fitaovana fanabeazana aizana asisika amin’ny sandry ka miaro telo taona ary 500 kosa mampiasana pilina hanina isan’andro ary 700 mitsindrona. 24%-n’ny tanora mampiasa ny fanafody mandrindra fiterahana, araka ny fanadihadiana farany.

Zava-dehibe ny fibeazana ny tanora tsy hiroso amin’ny firaisana aloha loatra ialana amin’ny vohoka tsy niriana sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara nofo tsy voaaro. Ao anatin’ny Herinandron’ny Fianakaviana  Sambatra, misy ny fandefasana horonan-tsary mizara ny olan’ny tanora amin’ny andavanandro ary hanatsoahana lesona amin’ny tokony hitondrana ny fiainana eny amin’ny foiben-toerana Ambatomitsangana. Misy koa ny lalao samihafa sy fifaninanana momba ny fahafantarana ny FISA.

Vonjy A.                             

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique