Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Soavinandriana: tratran’ny polisy ilay jiolahy nikasa hanolana ankizivavikely

Soavinandriana: tratran’ny polisy ilay jiolahy nikasa hanolana ankizivavikely

Saron’ny polisy tao Soavinandriana ity jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanolanana ity. Nidoboka am-ponja avy hatrany rehefa avy natolotra ny fampanoavana…

Voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Antsahalavabe, kaominina ambonivohitr’i Soavinandriana, ny jiolahy iray mpanendaka niaraka tamin’ny sabatra lavalela, ny faran’ny herinandro teo. naterin’ny fokonolona teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany ity jiolahy ity taorian’ny fisamborana. Nandritra ny famotorana azy no nilazany fa nikasa hanolana ankizivavikely vao 16 taona monja izy tamin’io fotoana io. Mialoha izao fikasan-dratsiny izao, nandeha nisotro toaka izy ka taorian’izay izy vao nikasa hanatanteraka ny filàn-dratsiny tamin’ilay ankizivavikely. Nitohy hatrany ny famotorana ka nanambara izy fa noho ny fahamamoany be loatra dia notambazany vola ity ankizivavy tsy ampy taona ity ka saika hanamparany ny filàn-dratsiny kanjo izy tratran’ny fokonolona izao ihany. Niaiky nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa tena saika ity fihetsika mamoafady ity. Efa mpanendaka any amin’iny fokontany iny ity jiolahy ity, araka ny fanazavan’ny polisy hatrany. Natolotra ny fampanoavana, omaly ity jiolahy ity taorian’ny famotorana nataon’ny polisy ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique