Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Oay lehiretsy a!

Oay lehiretsy a!

Mampiaiky mihitsy ity fampiasana ny teknolojia sy ny tambajotran-tserasera ity… Mety maro isika mpamaky no nahatsikaritra tao amina pejy iray ary niparitaka vetivety tanatin’ny Facebook, ny pejy voalohan’ny gazety Taratra nivoaka ny alatsinainy 13 mey teo. Isika ihany dia nahatsikaritra fa tsy ilay tena izy ny lohateny sy ny sary, fa nisy nanova nentina hanaratsiana sy hampiadiana olona teo amin’ny lohateny lehibe.
Hatao ahoana, fahalalahana avokoa izany. Nikasa ny hanao poa-droa angamba izay tompon-kevitra tamin’io, ka sady hanaratsy ny olon-tsy tiany no hanimba ihany koa ny gazetintsika. Diso tanjona ihany anefa raha ny amin’ity farany, satria ny mpamaky ny gazety Taratra,  izay efa nisy 15 taona izao, Mahalala tsara ny foto-kevitra ijoroan’ny gazety.
Nanaitra tokoa aloha ilay izy, raha nozohina tampoka. Hatreo ihany anefa… Tsy nila nandiso izany akory, fa avy hatrany dia tsikaritra ilay fanovana natao tamin’ny “photoshop”. Isaorana an’ireo mpamaky ny gazety Taratra, izay namaly avy hatrany ka nandefa ny sarin’ny pejy voalohany tena izy, satria porofo ihany koa izany fa sarotiny ny tena tompony.
Eny, tsy vao voalohany izay no nilalaovana ny pejy voalohan’ny gazetintsika toa izany. Hatramin’ny mpamokatra rakitsary aza, efa nisy naka aingam-panahy sy nalaim-panahy nanova an’io.
Izao lehiretsy a! azafady fa mitodika amin’ireto manan-talenta amin’ny fanovana sy ny fanaratsiana ireto ity:  raha mbola hanao ihany amin’ny manaraka, mba ataovy mandona sy mipaka tsara, aza asiana diso tsipelina toa iny intsony…

Zo ny Aina Randriatsiresy

 

Les commentaires sont fermées.