Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nitohy teny amin’ny Epp Anosibe: niara-nanangan-tsaina tamin’ny mpianatra ny miaramila

Nitohy teny amin’ny Epp Anosibe: niara-nanangan-tsaina tamin’ny mpianatra ny miaramila

Nitohy ny alatsinainy maraina teo ny hetsika fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fampakarana ny sainam-pirenena teny amin’ny sekoly fanabeazana fototra (Epp) Anosibe. Ny lohahevitra voizana amin’izany dia ny “fanabeazana ho olom-pirenena vanona maneho ny fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fananganan-tsaina”. Nitarika ny lanonana ny Jly Randrianantoandro Guerson James, filohan’ny komity mpanomana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Tafika Malagasy sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo tompon’andraikitra maro ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy arakasa. Mbola hitohy ity hetsika ity satria beazina ho tia tanindrazana amin’ny alalan’ny fananganan-tsaina ny mpianatra ka izany no antony nahatonga ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena manao izao hetsika fananganan-tsaina miaraka amin’ny mpianatra izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.