Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika tany Nanjing – Sina: nisongadina ry Rakoto Frah Junior

Hetsika tany Nanjing – Sina: nisongadina ry Rakoto Frah Junior

Ny fomba amam-panao malagasy, hasongadina amin’ny zavakanto. Izay no nasehon’ny tarika Rakoto Frah Junior, nandritra ilay hetsika lehibe iray tany Nanjing, Sina, ny 11 mey teo. Tamin’ny alalan’ny soradihy sy ny hira toa ny “Afindrafindrao”, “Vory ve ny tsena”, “sns, no nambaboan’izy fito mianadahy ireo mpijery, nandritra izany. Araka ny fampitam-baovaon’ireo nanatrika tany an-toerana, nanaitra ary nankafizin’ny mpijery izany seho izany.
Nisy ny fifanakalozana ara-javakanto nandritra ny fotoana nijanonan’ny delegasiona tany Sina. Tsy sakana ny teny, satria fitaovan-tserasera iray mahomby sy mora mipaka ny zavakanto.
Tsiahivina fa ao anatin’ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Sina sy Madagasikara ny nandehanan’ny tarika Rakoto Frah junior tany. Nitarika ny delegasiona ny tale jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, Razafiarison Francis. Tohin’ny fahatongavan’ny delegasiona sinoa, izay nanao fampisehoana teto Madagasikara rahateo ihany koa izany. Fantatra fa mbola hivelatra amin’ny sehatra maro ity fiaraha-miasa ity.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.