Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatsarana ny asam-panjakana: hanatsinkafona ireo mpiasa matoatoa ny minisitera

Fanatsarana ny asam-panjakana: hanatsinkafona ireo mpiasa matoatoa ny minisitera

Ho hitan’ny havany eo tsy ho ela  intsony.… Miroso  amin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaha ny eo anivon’ny  fitondram-panjakana,  niainga amin’ny  toromariky ny filoham-pirenena.  Anisan’ny manana andraikitra amin’izany ny minisiteran’ny Asa.

Efa am-perinasa ilay antsoina hoe “logiciel Augure” – “Application unique pour la gestion uniforme des ressources humaines de l’Etat” iarahana amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola  sy ny vola. Natao hanadiovana ny tontolon’ny mpiasam-panjakana io “Augure” io.  Ahafahana mahazo  ny isan’ny mpiasam-panjakana tena marina”, hoy ny minisitry ny Asa, Ramampy Gisèle tetsy 67 ha, omaly , nihaona tamin’ny  mpanao gazety. Hampiasaina amin’ny fitantanana mahomby ny mpiasam-panjakana io rindram-baiko “logiciel” io, ahafantarana ny isan’ny mpiasa sy hametrahana ny vina mialoha ny fomba fitantanana ny asa, ny fahaiza-manao ary ny drafitra handaminana ny asam-panjakana. Niainga avy amin’ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika izany ny amin’ny tsy maintsy ampiasan’ny minisitera rehetra io rindram-baiko io hahalalan’izy ireo ny isan’ny mpiasam-panjakana miasa ao anatin’ny minisitera tsirairay avy. Hisy ny fanadihadiana hijerena ny fifanojoan’ny asa misy amin’ny toetra amam-pahaizan’ny mpiasam-panjakana tsirairay avy, ahafahana mamaritra ny fanofanana tokony hilain’izy ireo sy hisian’ny fitsinjarana isam-paritra ary isaky ny  minisitera ireo mpiasam-panjakana rehetra.

Vita hatreo ireo zatra lalan-dririnina

Ankoatra izany, nohitrikitrihin’ny minisitry ny Asa ny efa firosoana amin’ny fanadiovana  ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana eny anivon’ny sekoly, toy ny Enam, INFA… mba  tsy hiseho intsony ny  kolikoly. “Nisy fiovana ny fikarakarana ny fifaninanana sy ny fiarovana izany. Eo ny fampiasana “camera” amin’ny fikirakirana ny laza adina  na ny fitsarana izany.  Ny fanaraha-maso  ireo mpitsara”, hoy  ihany  izy. Nanteriny fa tokony hanatona  ny minisitera raha mahita trangana kolikoly, miaraka amin’ny porofo fa ho entina eny amin’ny  mpanao  fanadihadiana. Ho vita hatreo izany ireo zatra ny lalan-dririnina…

Manampy ireo ny fijerena ny fiahiana sosialy iarahana amin’ny Cnaps  ka hametrahana ilay rafitra iray “Task force”, hampidirana ireo tsy manaraka fenitra ho amin’ny  ara-dalàna.

Tsiahivina, fotoana nampahafantaran’ny minisitra ny anjara birikin’ny minisitera tantaniny io  ho fanatanterahana ny andraikitra manandrify azy amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha eo aminy ny vinan’ny filoham-pirenena.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique