Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

EEM Nizerianina: naka traikefa teny amin’ny MDN

EEM Nizerianina: naka traikefa teny amin’ny MDN

Tonga nitsidika an’i Madagasikara ny delegasiona nizerianina izay ahitana manamboninahitra mpianatra miisa 26, mpampianatra roa ary tompon’andraikitra miisa dimy avy amin’ny “Ecole d’Etat Major” (EEM) any Nizeria. Ny delegasiona fito tamin’izy ireo izay notarihin’ny Jly Je Ejeh no tonga nitsidika ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) etsy Ampahibe, ny alatsinainy maraina teo. Ny sekretera jeneraly, ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue no nandray ireto delegasiona nizerianina ireto. Nifantoka tamin’ny fisokafan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika Malagasy sy ny Tafika Nizerianina ny vontoatin’ny fihaonana teo amin’ireto manamboninahitra ambony ireto. fantatra fa haharitra herinandro ny tsidika ataon’ireto delegasiona nizerianina ireto ary hitety ireo sekoly sy toeram-piofanana miaramila izy ireo ary hifampizara traikefa sy fahaiza-manao. Hitsidika ihany koa ny “Ecole d’Etat Major de l’Armée Malagasy”, ny delegasiona nizerianina, ny Centre de fusion des informations maritimes (CFIM) ary ny Centre d’etudes diplomatiques et strategiques (CEDS) ireto delegasiona ireto.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique