Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ceni: faranana anio ny lisi-pifidianana 

Ny antontanisa farany raikitra mialoha izao fifidianana solombavambahoaka izao: nofaranana 25 388 ny isan’ny birao fandatsaham-bato manerana ny fari-pifidianana 119 eto Madagasikara. Nofaranana 10 302 194 ny isan’ny mpifidy. Mifarana anio ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ” , hoy  ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Izay no nahatonga ny bileta tokana nohafarana tatsy Afrika Atsimo ho 10 874 075. Tsy maintsy misy fiandry amin’ny antontan-taratasim-pifidianana, raha sanatria misy ny tranga tsy azo anoarana.

Noho ny lafiny teknika, vola, fitaovana, novaina ho taratasy tsotra (A 4) ny lisi-pifidianana amin’ity fifidianana ity, araka ny fanazavany. Mizara roa ny lisi-pifidianana. Tsy misy toerana fanaovana sonia ny iray, jerena sy anamarinana ny anaran’ny mpifidy alohan’ny handatsahany vato. Ny iray hafa, misy ny toerana ho  an’ny sonia, anaovan’ny sekreteran’ny birao fandatsaham-bato sy ny mpifidy sonia  avy nandatsa-bato.

Izay ao anaty lisitra ihany no mahazo mifidy

Izay olona ao anatin’ny lisi-pifidianana ihany no mahazo mifidy, ka mitondra kara-panondrom-pirenena, na karatra fahazoan-dalana mitondra fiara, na pasipaoro. Tsy misy ny fifidianana amin’ny alalan’ny fanomezan-dalana, na amin’ny “ordonnance” avy any amin’ny fitsarana.

Noho izany, manantitrantitra ny eo anivon’ny Ceni fa tsy ara-dalàna ny zava-misy any amin’ny toerana sasany, ahitana olona tokana na vitsivitsy mitondra ny kara-panondron’ny mponina ao amin’ny fokontany misy azy. Izy no misolo tena ny mpifidy rehetra ao anatin’ny fokontany: mitondra ny kara-panondron’izy rehetra, ka mandatsa-bato amin’izany.

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.