Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Betsiboka: zandary miisa 29 nahazo sandam-pikirizana

Betsiboka: zandary miisa 29 nahazo sandam-pikirizana

Tsy niandry ela ny fitondram-panjakana, naneho ny fampanantenana nataony, indrindra ho an’ireo zandary nahavita ezaka manokana ho an’ny tanindrazana. Natolotra ara-pomba ofisialy sy ara-miaramila, ny alatsinainy teo tao Maevatanana ireo mari-pankasitrahana ho an’ireo zandary miisa 29 nahavita vokatra tsara tao anatin’ny faritra Betsiboka. Tonga nanatanteraka izany fanolorana izany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa izay nisolo tena ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard. Nilaza izy fa natao izao mba ho ohatra tsara hanentanana ny zandary rehetra haneho an-tsitrapo ny fahavononana feno hamita ny adidy masina napetraka. Isaorana ny vahoaka manome vaovao tsy tapaka ka nahatongavana amin’izao dingana izao. Nambaran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity fa miezaka ny eo anivon’ny fibaikoana ny zandarimaria ny mankahery sy mampirisika ireo zandary ary hitohy hatrany izao fa tsy mijanona akory.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique