Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – “Smatch’in XXL”: tsara toerana ny ekipan’ny DEGS

Basikety – “Smatch’in XXL”: tsara toerana ny ekipan’ny DEGS

Niditra tamin’ny andro fahefatra, omaly, ny fifaninanana eo amin’ny taranja basikety “Smatch’in XXL”, hifanandrinan’ireo sekoly ambony, miisa 32. Efa nahitana sahady ireo ekipa misongadina izay lalao maromaro efa vita izay. Ho an’ny sampam-pianarana DEGS, tsara toerana ity ekipa ity, taorian’ny fandresena intelo azony, nandritra izay efatra andro izay. Raha tsiahivina, fandresena nanoloana ny ekipan’ny ENS Ampefiloha no nisantaran’ny DEGS ny fahombiazana, ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mbola notohizany izany, tamin’ny alalan’ny fandresena indroa izany, omaly. Ny lalao voalohany izay nandavoany ny ekipan’ny INSCAE tamin’ny isa 39 no ho 36, fifandonana tena niady tokoa, saingy nampisehoan’ireo kalaza lahy avy ao amin’ny DEGS ny fahaizany. Ny lalao faharoa kosa, nihaonany tamin’ny ekipan’ny UCM Ambatoroka, ity farany izay tsy afa-bela fa voailika tamin’ny isa 48 no ho 33. Azo lazaina, araka izany, fa efa anisan’ny ekipa ho tafakatra amin’ny dingana ambonimbony ny DEGS raha izao vokatra tsara azony izao. Hiditra amin’ny andro fahadimy ho amin’ny anio, ity fifaninanana ity, ny asabotsy sy alahady izao no hanatanterahana ny lalao manasa-dalana sy famaranana.

 

Mi.Raz

 

Voka-dalao, talata 14 mey 2019:

Cnela 53-54 Aceem

ESD 44-59 Uprim

Escame 44-37 Samis

Sciences 85-67 St Michel Itaosy

UCM 57-26 Uprim

Inscae 36-39 Degs

CNTEMAD 31-57 Espa

Medecine 42-29 IEP

Degs 48-33 UCM

Les commentaires sont fermées.