Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

67 ha: miditra an-tsehatra manendaka koa ny vehivavy

67 ha: miditra an-tsehatra manendaka koa ny vehivavy

Tovovavikely iray 16 no niharan’ny fanendahana teny amin’ny faritra 67 ha, ny zoma 22 marsa 2019 lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Araka ny fitantarany, vehivavy iray no tonga nanatonga azy teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo 67 ha ary nangataka io vehivavy io mba haterina eny amin’ny paositra 67 ha noho izy tsy mahita lalana. Nanaiky nanatitra azy tokoa ilay tovovavy tamin’io fotoana io. Nony teny an-dalana anefa dia nilaza ilay vehivavy fa hadinony any amin’ny tranon’ny mpampiasa azy ny poketrany ka niangavy izy mba hiaraka haka izany izy roa vavy. Nony tonga tamina elakela-trano somary mangingina anefa dia nodarohiny sy nendahiny ilay tovovavy. Lasany tamin’izany ny peratra volamena sy peratra volafotsy. Lasa nandositra avy hatrany taorian’izay. Ny alatsinainy 13 mey teo raha nandalo teny amin’ny manodidina ny Havana 67 ha ilay tovovavy voaendaka dia nahatsikaritra ilay vehivavy nanendaka azy nijoro tsy lavitra teo. nanatona ny polisy akaiky azy noho izany ity tovovavy ity ary nitantara ny nanjo azy. Nosamborin’ny polisy CSP7 avy hatrany ilay vehivavy mpanendaka ity. niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique