Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noho ny ataon’ny olombelona: biby sy zavamaniry 1 tapitrisa ho ringana

Tontosa, ny 29 avrily hatramin’ny 4 mey teo, tany Paris, Frantsa, ny fivoriamben’ny IPBES na ny Vovonana iraisan’ny governemanta misahana ny siansa sy ny politika mikasika ny vondron-javamananaina sy ny fifampiankinan’ny zavamananaina. Zava-dehibe ny fihaonana, nampahafantarana ny valin’ny fanadihadiana mikasika ny tontolo iainana naharitra telo taona ary sambany nahakasika izao tontolo izao mihitsy.

Tokony hanaitra ny fitondram-panjakana sy ny mpisehatra rehetra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny valin’ity fanadihadiana ity, araka ny nambaran’ireo mpivory. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny hoe karazam-biby sy zavamaniry maherin’ny 1 tapitrisa no ahina ho ringana. Tsy ety ambonin’ny tany ihany ny voakasin’izany fa indrindra, ny any anaty rano sy ny ranomasina. Potika ny telo ampahefatry ny tontolo iainana an-tanety sy ny 66%-n’ny tontolo iainana any anaty ranomasina.

Ny zavatra ataon’ny olombelona ihany ny antony voalohany mahatonga izao fahasimbana izao, araka ny tatitra hatrany. Nanomboka ny taona 1980, nitombo avo roa heny ny famoahana entona manimba na « gaz à effet de serre ». Vokany, niakatra 0,7°C ny hafanana ankapobeny, manerana izao tontolo izao. Tohin’izany, maina ny tany kanefa ny filàn’ny olombelona, mitombo hatrany, hany ka atontona amin’ny famokarana sy ny fiompiana avokoa ny ampahatelon’ny velaran-tany sy ny 75%-n’ny rano.

Ankoatra izany, mihasimba hatrany ny nofon-tany ary mihazakazaka ny fitrandrahana ireo harena an-dranomasina, indrindra tamin’ny 2015. Lany avokoa mantsy ny 33%-n’ny tahirin-trondro an-dranomasina, tamin’io taona io. Misongadina be ihany koa, ao anatin’ity tatitra ity, ny fahafantarana fa nitombo avo folo heny ny fanariana ireny fako plastika ireny, nanomboka ny taona 1980. Fako mampidi-doza (vy, akora simika, akora misy poizina, fako avy amin’ny indostria, sns) milanja 300 hatramin’ny 400 tapitrisa taonina isan-taona no mivarina any anaty rano.

Na izany aza, ambaran’ireo mpivory fa mbola misy ny fanantenana, raha samy mandray andraikitra ny rehetra ka manova ny fomba famokarana sy ny fomba fiainana. « Tokony hapetrak’izao tontolo izao ho vaindohan-draharaha ny fiarovana ny zavaboahary », hoy hatrany ny tatitra.

Landy R.

 

 

Les commentaires sont fermées.