Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpivarotra amoron-dalana: tsy manaiky ny fotodrafitrasa vaovao 

Nisavorovoro ireo mpivarotra legioma amoron-dalana (manoloana ny fivarotan-kena) etsy Analakely, omaly, noho ny fametrahana trano vy nataon’ny kaominina eo amin’ny toeram-pivarotan’izy ireo mahazatra. Tsy nisy nanampo na inona na inona ny mpivarotra, omaly maraina, raha hivarotra fa tsy teo intsony ny entan’izy ireo fa nisy nanangona. Tezitra sy nangataka ny hamerenana ny entana rehetra (legioma samihafa) ny mpivarotra satria amina tapitrisa ny vidin’izany. Nanambara ny tsy hanaiky hiala amin’ny toerana koa izy ireo manoloana ny fananganana fotodrafitrasa vaovao. Nilaza ny lehiben’ny mpivaro-kena eo Analakely fa nisy ny fampahafantarana telo volana mialoha ireo mpivarotra legioma fa voatery hoesorina izy ireo noho ny tetikasa ataon’ny kaominina. « Nanaraka ambaratonga mazava ny tetikasa izay fanorenana tsena vaovao ho an’ny mpivaro-kena ara-dalàna », hoy izy. Efa nampoizina ny fihetsik’ireo mpivarotra amoron-dalana ka izay no nanaovana ny asa ny alahady alina. Efa nafindra toerana sy nalaina sary avokoa ny entana ary tsy misy very izany.

Vonjy    

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique