Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: Ekipa telo hiady hanao pao-droa

Kitra: Ekipa telo hiady hanao pao-droa

Efa madiva hifarana, ankehitriny, ny fifaninanam-pirenena, hiadiana ny ho tompondaka sy ny ho tompon’ny amboara, taranja baolina kitra. Hatreto, ekipa telo no mbola manohy amin’ireo fihaonana roa ireo, izany hoe,  hiady ny hanao pao-droa: ny Fosa Jr Boeny, ny Cnaps Sport Itasy ary ny Ajesaia Bongolava.

Ho tsontsori-mamba hisarahana anefa ny an’ny Cnaps Sport sy ny an’ny Ajesaia, hiadiana ny amboara, satria hifandona ny roa tonta, eo amin’ny manasa-dalana, hotanterahina ny alahady ho avy izao any Mahajanga. Tsy maintsy hisy ny ho very izany, amin’ity.

Eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka indray, mitarika aloha ny Fosa Jr, manana isa 8. Ity ekipa ity no heverin’ny rehetra fa mety hahavita io pao-droa io, raha ny toerana misy azy, ankehitriny. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa ny Cnaps Sport, miaraka amin’ny isa 7 ary any amin’ny laharana fahafito ny Ajesaia, tsy manana afa-tsy isa 3. Ny ekipan’i Bongolava izay saro-toerana ihany. Izy ireo izay hifandona amin’ny Fosa Jr, amin’ny andro fahadimy.

Mandra-piandry izany, ho fantatra ny alahady 19 mey ho avy izao ireo ekipa roa hiatrika ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma coupe de Madagascar”. Raha tsiahivina, hifanandrina etsy Mahamasina ny Uscafoot sy ny Fosa Jr Boeny ary hikatroka any amin’ny kianja Rabemananjara ny Ajesaia sy ny Cnaps Sport Itasy.

 

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique