Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Halefaka ny tsioka amin’ny ankapobeny eto Madagasikara ary tsy marin-toerana izany. Alizay tsy maharitra kosa no hamaritra ny andro, ny rahampitso sy ny alakamisy ho avy izao.

Hanorana miatoato ny any avaratra andrefan’ny Nosy sy ny ilany atsinanana mandritra ny herinandro. Etsy andanin’izany, hiloko volon-davenona ny lanitra amin’ny ilany atsinanan’ny atitany, ny rahampitso sy alakamisy, ary mety hisy erika miaraka amin’izany. Ho maina ny andro amin’ny faritra sisa ary ahina ny hisian’ny orana any andrefana sy any Atsimo Andrefana ny fiafaran’ny herinandro. Hidina ny maripana amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy. Eo anelanelan’ny 7°C sy 34°C ny maripana.

 

 

Les commentaires sont fermées.