Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: aza maditra raha hanaraka azy

Fandrarana ny tsy fizizona amina fikirizana hiraisan-jotra amina dia tsy anjaran’ny tena no voalazan’ilay fitenenana hoe «aza maditra hanaraka ahy». Hafahafa noho izay ny hevitra fonosan’ilay teny miventy fampitandremana mikasika ny fitandoman’ny loza aman-tsampona raha sady mbola hitaiza haditrana no mikasa hisisika anatin’ny laharan-dia makany amin’ny fiovana. Fanovana no tanjona, tsy hisy anefa izany moa raha tsy eo ny ezaky ny tsirairay sy ny rehetra hiova toe-tsaina antoky ny fiovan-toetra.

Raha tena vonton’ny fahamehan’ny fanovana ny fanahin’ny mpitarika dia diso tetika avy hatrany ireo mihevitra ho afa-maina tsy hiala amin’ny toetra ratsy fa ho avotra fotsiny nohon’ny fialokalofana ao ambanin’ny fitahin’ny fitondrana. Tsy fandrangarangana basy atifi-kavana fotsiny no efa tazana fa efa pao-basy mihitsy no nirefotra tamin’ilay fidoboka am-ponja loholona iray izay efa nibaboka nandadilady namonjy filaharana anivon’ny mpandresy. Mazava ny akon’ilay pao-basy, tsy mampihavana ny ratsy efaina. Toy ny fitrangan-javatra rehetra tsy ilaozan’ny mpanatsatso izany fisehon-draharaha izany,  eo ireo tsy resy lahatra ka milaza fa tsy ampy ho antok’izany fa fihetsiketsehana fotsiny fampisehona fandiovan-tena. Mety ho mitombona izany ahiahy izany, nefa ny fanadiovana izay antoky ny fanovana dia goavana tsy vita indray andro atao faobe fa tsy maintsy miatomboka tsikelikely, sarotra ary tsy mety noho izany ny fitsarana antendrony amin’ny fitifirana an’izay iray zava-mipotra. Ny tsy fanankatelemana ampahamehana amin’izao fotsiny ny fihetsiky ny fitondrana ary ny maha rariny ny fametrahana ahiahy momban’izany tsy manome vahana arik’izay izao fanatebahana isan-karazany ny ezaka asehony. Matetika miseho ny fanasoketana amin’ny fanomezan-tsiny nohon’ny fanaovana asa koropaka, sandan’izay rehefa milamina ny fomba fanatanterahana tokony hifandanja arak’ilay fahenterana momban’ny tsy fisehon’ny fanaovana asa koropaka ny fifehezan-tena tsy hirona any amin’ny fitsarana koropaka.
Samy tsindrindaona avokoa ahita an’ilay fiovana iandrandran’ny rehetra, samy mbola mitaiza ahiahy any am-pony any, na lazaina ho tsy ihavanana aza ny ahiahy tsy ny fisiny kosa no afaka atao ampy ho anton’ny fananganana ady. Na eo aza ny fahamendrehan’ny asarota-piaro mikasika ny fandrosona, ny sakatsakany diso aloha mety hiofo ho fahavalon’ny fanovana.


Léo Raz            

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique