Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampielezan-kevitra: mitohy ny  hetsiky ny Ifi

Fampielezan-kevitra: mitohy ny  hetsiky ny Ifi

Miara-dia sy manohana ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandidàn’ny IRD, i Irmah, tany amin’ny faritra Atsinanana, ny fikambanana Isika fikambanana miaraka amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny faran’ny  herinandro teo. Nomafisin’ny filoha nasionaly, Ramanambintana Richard, tamin’ny lahateniny ny fanantanterahana ny vina miisa 13 napetraky ny filoha  Rajoelina. Notsindriny manokana kosa fa tsy manohana kandidà tsy miankina na tsy nahazo ny tsodranon’ny filoha Rajoelina izy ireo.

Naneho fahavonanana ny hanatanteraka ny vina IEM ny kandidà Naharimamy Lucien Irmah sy ny mpiara-dia aminy, i Famindra, ary hanao ho laharam-pahamehana izany. Hitohy any amin’ny faritra hafa ny hetsika fanohanana ataon’ny Ifi ireo kandidà. Anisan’izany ny fampielezan-kevitra nataon’izy ireo tetsy amin’ny boriborintany I, tarihin’ny kandidà Joycelyn laharana fahadimy amin’ny biletà tokana. Hitety ireo boriborintany hafa izy ireo manomboka anio ary hihazo ny eny Avaradrano sy ny eny Atsimondrano ary ireo kaominina manodidina ny Renivohitra.

Tsiahivina fa nomena andraikitra hanohana ny kandidà tokana nahazo tsodrano tamin’ny filoha Rajoelina ity fikambanana ity. “Antoky ny fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka  izany”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique