Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatondrazaka: sahirana ireo kandidà

Hatreto aloha, hita ho sahiran-kevitra ireo mirotsa-kofidina hisolo vava ny vahoaka ato amin’ny distrikan’Ambatondrazaka .Tsy izay programa, rehefa lany soa aman-tsara, no takin’ireo mpifidy fa dabilio, vola hameloman-tena… Eo anatrehan’izany, misy ny kandidà mampanangana fikambanana ireo mpitaky. Iny fikambanana iny no omeny zana-kisoa iray, ohatra, hompian-dry zareo. “Ny loza, hoy ny mpilatsaka hofidina iray, ny kandidà niseho voalohany manome tolotra misanda iray alina Ar. Ny tonga manaraka, voatery manindry ambony hatrany.”  Mihaino sy manangona ny hetahetam-bahoaka ny ataon’ny kandidà. Fifaninanana moa ity izy ka nisy tokoa ny kandidà nahavita nanofa helikopitera sy nanome omby iray avy ireo fokontany folo ao Ambatondrazaka. Misy nametaka jiro entin’angovo masoandro manazava tanàna maro.

Asa, na noho izay zava-misy rehetra izay, fa ny mihaino ireo hetahetam-bahoaka no ataon’ireto ho mpanao lalàna. Ny hikarakara ireo mpampianatra Fram, fampandrosoana fambolena, fitsinjovana zokiolona… ny ambentin-dresak’izy 19 mianadahy.  Hoy ny  mpanolotsaim-paritany taloha iray: “tokony hilaza ny kandidà raha anisan’ny handany ilay hevitra hanitsy ny lalàmpanorenana izy? Fa ity koa: vao manatsatoka angady eny an-tanety ngazana eny ianao, misy milaza fa tanindrazany io. Mila tolo-dalàna!    

                                                                                                   Rarivo                                           

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique