Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Olona miisa 52 indray tratran’ny fanapoizinana sakafo vokatry ny fihinanana trondro antsoina hoe « fanohara » misy poizina tany Belo sur Mer, distrikan’i Morondava, ny zoma lasa teo. Namoy ny ainy vokatry ny fihinanana ity trondro ity ny zazakely roa. Fantatra fa mandoa sy mivalana ireto olona nihinana ity trondro tsy azo hanina ity ireto. Nalefa notsaboina haingana eny amin’ny hopitaly ireto nihinana sakafo nisy poizina ireto. Misy ireo afaka nody avy hatrany raha mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly kosa ny sasany amin’izy ireo. Fantatra izao fa vanim-potoana tsy azo ihinanana ireo trondro izay voasokajy ho tsy azo hohanina satria mihinana lomotra ireto trondro ireto izay mivadika poizina.

Dahalo efatra nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika saron’ny zandary tao Ambatobe Avaratra, Tsihombe. Ireto dahalo ireto no tompon’antoka tamin’ny fanafihana tokantranona mpandraharaha iray monina ao Ambatobe Avaratra, ny herinandro teo. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny vola 11 tapitrisa Ar. Taorian’ny fanarahan-dia nataon’ny zandary ny nahasambotra azy ireo niaraka tamin’ny basim-borona sy ny bala, ny mohara, ny lambamena misy fitaratra kely fampiasan’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny. Atahorana ny ain’ilay renim-pianakaviana notontan’ireo dahalo vato teo amin’ny lohany nandritra ity fanafihana ity. Avy any amin’ny distrikan’i Betroka ireto dahalo ireto, araka ny fanazavan’ny zandary.

 

 

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique