Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« M’Foot Fokontany » – U15: tompondaka ny Selection Androhibe

« M’Foot Fokontany » – U15: tompondaka ny Selection Androhibe

Nifarana, omaly teny amin’ny kianja Pèdro Akamasoa Andralanitra, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny « M’Foot Fokontany ». Nivoaka ho mpandresy tamin’izany, teo amin’ny sokajy U15, ny ekipa voafantin’Androhibe, rehefa nanilika an-dry zareo Andrefan’i Mananjara, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0. Baolina tafiditr’i Baina, teo amin’ny minitra fahadimin’ny fizaram-potoana voalohany.

Tsiahivina fa ity fihaonana ity izay niarahan’ny Airtel sy ny Alefa Barea nikarakara. Natao hitiliana ireo mpilalao manana ny fahaiza-manaony nefa tsy mba misy mpahita ny tanjon’ny fifaninanana, amin’izany. Marihina fa misy ireo manampahaizana frantsay tonga teto Madagasikara, nanao izay fitiliana ireo katitakely izay.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.