Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra vehivavy: mitarika hatrany ny AC Sab-Nam

Kitra vehivavy: mitarika hatrany ny AC Sab-Nam

Nitohy, omaly alahady teny amin’ny kianja Carion Manjakandriana, ny andro fahefatra amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy “division elite”. Mbola mitarika hatrany aloha, hatreto, ny AC Sab-Nam Analamanga. Nanamafy izay toerana nisy azy izay izy ireo, tamin’ny nandreseny ny Asot Analamanga, tamin’ny isa 2 no ho 0. Baolina tafiditr’i Sitraka, teo amin’ny minitra faha-38, sy ny an’i Kanto, teo amin’ny minitra faha-56. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Prisca, mpilalaon’ny Sab-Nam.

Manohy ny fahombiazany ihany koa ny Som Boeny. Mbola nivoaka ho mpandresy indray mantsy ry zareo, rehefa nanilika ny FC Prescoi Vakinankaratra, tamin’ny alalan’ny fandakana ny “tirs au but”, 4 no ho 3. Nisaraka ady sahala, 1 sy 1, ny roa tonta nandritra ny 90 mn nilalaovana.

Ankoatra izay, resin’ny Mifa Analamanga, tamin’n y isa tery 1 no ho 0, ny AS Comato. Mbola tamin’io isa io ihany koa ny nanilihan’ny Askam Itasy ny Ascuf Matsiatra Ambony. Hitohy, rahampitso talata, ny andro fahadimy.

 

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.