Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karting – “Mada 2019”: norombahin’i Jaona Andry – Ratoby ny fandresena

Karting – “Mada 2019”: norombahin’i Jaona Andry – Ratoby ny fandresena

Tontosa, omaly teny amin’ny “circuit” Imerintsiatosika, ny dingana voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja karting. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy “Elite”, iraisan’ireo sokajy rehetra, i Jaona Andry – Ratoby, nitondra ny Zanardi, avy amin’ny ekipazy Team Mass’in, ny voalohany. 1 mn 14 s 5 /10 ny fe-potoana tsara indrindra vitany, nihodidina in-12. Faharoa, nanaraka azy, i Erwan, nitondra ny Sodi kart, avy amin’ny Team Hong ary fahatelo, namarana ny fiakarana ny lampihazo, i Nathan Baumann, avy amin’ny Team Mach One.

Teo amin’ny sokajy “junior”, Rabary Mahary, avy amin’ny Team Redstonians, nitondra ny Praga. 1 mn 16 s 53/10 ny nahavitany ny hazakazaka. Faharoa i Yohan Lak Kam, mpanamorin’ny SRS, nitondra ny Kosmic ary fahatelo Razafindrakoto Nathan, avy amin’ny Team Impex Racing, nitaingina ny Zanardi.

Ho an’ny sokajy vehivavy, nahazo ny laharana voalohany Razafinjoelina Fitia, avy amin’ny Team Vidy varotra, nitondra ny Zanardi.

Teo amin’ny “minime”, nibata ny fandresena Rabary David avy amin’ny Team Redstonians, niaraka tamin’ny Praga. 1 mn 18 s 51/10 ny fe-potoana tsara indrindra ho azy. Samy nahazo isa 100 avy ireo mpandresy tamin’ity dingana voalohany ity.

Ho an’ny “poussin”, voalohany teo amin’ny motera manana tanjaka “2 temps”, Ranarison Rialy, avy amin’ny Team Mass’in, nitondra ny Storm ary Rajoelison Andi kosa ny teo amin’ny “4 temps”, avy amin’ny Team MRS, nitaingina ny Tony Kart.

Ny 23 jona ho avy izao ny fihaonana manaraka, amin’ity fifaninanam-pirenena, ho an’ny karting, ity.

 

Torcelin

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique