Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Natao teny amin’ny CCI Ivato, ny zoma teo, ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny mpampianatra hiasa eny amin’ny EPP sy CEG, rehefa niofana teny amin’ny Ivontoeram-panofanana mpampianatra INFP. 87 (andiany Miatrika) ny isan’ny mpiofana nivoaka taorian’ny fiofanana roa taona ka hiasa eny amin’ny EPP. Fiofanana momba ny fomba fampitana fahalalana, psykolojia, fahaiza-mitarika… no natrehan’ny mpianatra. 93 (andiany Lova) hafa kosa hiasa eny amin’ny CEG rehefa nianatra nandritra ny roa taona. Mpanohana ny tetikasa ny Unicef.

Hitohy ny maripana mafana kokoa sy ny andro maina ho an’ny telo andro manaraka eto Antananarivo, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Ho an’ny faritra sisa kosa, hahazo orana ny any Sambirano fa ny talata sy alarobia, hiitatra any amin’ny ilany avaratra iray manontolo ny orana.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique