Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihoaram-pefy, fandikana fitsipika: polisy telo lahy mamo an-dalambe, naiditra “violon”

Fihoaram-pefy, fandikana fitsipika: polisy telo lahy mamo an-dalambe, naiditra “violon”

“Tranga mamohehitra”. Izay ny nilazan’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena ny nafitsok’ireo polisy telo lahy, nanao fanamiana, hitan’ny olona fa mamo an-dalambe sady mamo teo am-pamiliana fiara ka nanimba fiaran’olon-kafa. Ankoatra ny fampidirana “violon” azy ireo, fantatra fa handalo filankevitry fitsipi-pifehezana eo anivon’ny polisim-pirenena izy ireo.   

Polisy telo lahy nanao fanamiana ara-dalàna miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo (CSP 8) Analamahitsy no mamo an-dalambe, ny zoma lasa teo. Tsy vitan’izay fa mbola nitondra fiara ihany izy telo lahy ireto tamin’io fotoana io ka tsy nahafehy ny familiana intsony ilay polisy iray nitondra fiara ary nifatratra tamina fiaran’olona iray teny Ivandry. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fampitam-baovao eo anivon’ny polisim-pirenena, ny kaomisera Andriamanalina Serge, ao anatin’ny fanadiovana tanteraka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ary efa noraisin’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de police, Rakotozanany Dany Marius, ny fepetra rehetra momba ny fihoaram-pefy sy ny fandikana fitsipika nataon’ireto polisy ireto. Tsy nanaiky, araka izany, ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena manoloana ny tranga mamohehitra ataona polisy toy izao. Nampidirina “violon” ireto polisy ireto ary hisy hiakatra eo anivon’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezan’ny polisim-pirenena (Codis). Nanamafy hatrany ny eo anivon’ny polisim-pirenena fa ao anatin’ny fanadiovana tanteraka ihany koa izy ireo ka tsy hanaiky ireo polisy minia mandika lalàna manaratsy endrika ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena iray manontolo. Misy kosa ny ezaka ataon’ireo polisy sasany na eo aza ny “saonjo iray lohasaha” manaratsy endrika ny polisim-pirenena iray manontolo. Ireny iaraha-mahita ireny ny vokatra tato ho ato amin’ny alalan’ny “Opération tenue civile”, paikady vaovao entina hampandriana ny fandriampahalemana sy ny fanakaikezan’ny polisy hatrany ny vahoaka ary ny ady amin’ny kolikoly, araka ny vina efa napetraky ny minisitry ny Filaminam-bahoaka.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.